Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Hevitry ny mpanakanto

$
0
0
JOEDA

 Hajaina (filohan’ny Havatsa-Upem) : Ny tokony ho minisitry ny kolontsaina : olona miaina sy ao anatin’ny kolontsaina tanteraka. Mila olona mahay mitantana satria departemanta lehibe ny minisiteran’ny Kolontsaina. Tsy maintsy manana tanjona mazava hampandrosoana ny kolontsaina sy zavakanto. Tsy maintsy manana fomba fijery mivelatra. Olona afaka mihaino sy mifanakalo hevitra amin’ny mpanakanto.

 

 Joeda (mpanakanto tanora manomboka mivelatra eo amin’ny hira) : Ny tokony ho minisitry ny Kolontsaina : olona mahafantatra tsara ny olana sy ny tsy mety eo amin’ny kolontsaina. Manana vahaolana hoenti-miatrika ireo olana ireo, hanarina ny lesoka. Vonona ny hanohana ho fampivelarana ny kolontsaina. Mila olona afa-miresaka amin’ny mpanakanto satria izahay no tena mahafantatra ny olana mianjady aminay.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503