Raha ny filazan’ny manam-pahaizana momba ny fakana sary efa nandalo teto Madagasikara, anisan’ny manavanana ny Malagasy io taranja iray io. Afaka hanaporofo izany ny mpaka sary satria raikitra indray ny fifaninanana…
Tonga amin’ny andiany fahenina amin’ity taona ity ny fifaninanana saripika, karakarain’ny Fondation Alliance française. Manentana ny Malagasy handray anjara amin’izany ny Alliance française eto amintsika. Mbola misokatra, hatramin’ny 9 mey izao, ny fisoratana anarana sy ny fandefasana ny sary. Fifaninanana miantefa amin’ny olon-drehetra tsy mivelona amin’ny tontolon’ny fakàna sary.
Toy ny isan-taona, voafetra anaty lohahevitra ny sary halefa hifaninanana. Miompana amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, araka ny lohahevitra hoe “Objectif sport”, izany amin’ity indray mitoraka ity. Tsara ny manamarika fa tokony handefa sary roa samihafa ny mpifaninana iray.
Hisy mpitsara eto an-toerana hisafidy sary folo tsara indrindra amin’ireo mifaninana, ny 11 mey izao. Hatao peta-drindrina ny anaran’izy ireo, ny 13 mey ary halefa any Paris ireo sary sy ny mombamomba ny olona naka azy, ny 16 mey.
Raha ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny AFT, tokony homarihin’ny mpifaninana tsirairay ny marika sy ny mombamomba ny fitaovam-pakan-tsary nampiasainy. “Tanjona ny mba tsy hisian’ny tombo sy hala noho ny haavo lentan’ilay fitaovana”, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity.
Marihina fa hisafidy sary 40 amin’ireo avy amin’ny firenen-tsamihafa ny mpitsara any Paris, mialoha ny 27 mey. Amin’ireo ihany koa no hijerena izay tena tsara indrindra, ka hotolorana ny loka goavana: fivahinianana any Paris mandritra ny herinandro. Haranty any amin’ity renivohitra frantsay ity kosa ireo sary 40, avy eo, hitety ny Alliances françaises maneran-tany.
Landy R.