
Fotoana elaela izay tsy nahenoana, indrindra tsy nahitana an’i Onja izay. Fantatra fa noho ny antony ara-pahasalamana no voatery niatoany kely tamin’ny mozika. Vaovao lehibe kosa ny fahenoana fa efa miverina amin’ny heriny ity mpanakanto ity sady miezaka ihany koa mamerina ny fifandraisany amin’ny mpankafy.
Hisy araka izany ny fiakaraana an-tsehatra, entin’i Onja hanamarihana izay fiverenany izay. Seho mafana, hotontosaina ny alin’ny zoma 3 jona izao io, etsy amin’ny Le Glacier Analakely. Elaela tsy nihaona, ka azo antoka fa hafana ny sehatra na anatin’ny ririnina aza.
Araka ny fampitam-baovao avy amin’i Onja, fotoana hanomezany fofompofony amin’ireo hira vaovao, toy ny “Olo premier plan” io. Na izany aza, hatao avokoa ireo hira malaza sy ankafizin’ny maro hatramin’izay, toy ny “Tsisy quoi”, “Fitia tsy mizarazara”, “Promesse lany daty”, “Fa izy”, sns. Ho maro ihany koa ny tsy hampoizina mandritra io fiarahana io.
Aorian’ny Le Glacier Analakely, hiverina hitety faritra maro eto Madagasikara i Onja sy ny tariny.
Raha tsiahivina, anisan’ireo nandrafitra ny tarika Tinondia niaraka tamin’ireo anadahiny sy rahavaviny i Onja. Niezaka nitrandraka karazan-gadona maro, saingy tsy niala tamin’ny fototra mozika avy any atsimo ity mpanakanto ity. Teo foana rahateo ireo havany ireo nanoro lalana sy nanampy azy, ka nampiaka-daza an’i Onja vetivety. Azo antoka fa tsy ho ela dia hiverina ary hihoatra ny lazany taloha izy…
Zo ny Aina