Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Raha te hahomby any ivelany any : “Tokony hahay tenim-pirenena maro ny mpanakanto”, hoy i Derness

$
0
0
DERNESS

Tsy vitsy ny mpanakanto tanora ankehitriny te hanara-dia ireo zoky, mitety firenena maro, mitondra avo ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Tsy mora izany. Anisan’ireo efa manana traikefa ary mizara izany i Derness, mpitendry jejivoatavo. “Tsy maintsy mifandray amin’ny firenena maro, izany hoe, mahay tenim-pirenena samihafa ny mpanakanto raha te hahatafita ny hafatra”, hoy izy. Tsara ny tafita hatrany ivelany any saingy, ny mampalahelo, isika eto an-toerana indray no tsy tia ny kolontsaina maha Malagasy antsika.

Oebnia Derness na i Derness, amin’ny maha mpanakanto azy. Angamba, tsy fahenon’ny maro izany anarana izany kanefa anisan’ireo sangany sy nahatafita ny mozika nentim-paharazana malagasy. Havanana amin’ny fitendrena jejivoatavo izy ary mampiaraka izany hatrany amin’ny fitazonana ny nentim-paharazana sy ny fiarovana ny tontolo iainana. “Misy ifandraisany mantsy ireo”, hoy izy, nanazava.

Talenta nomen-janahary azy ny fitendrena zavamaneno, izay napetrak’ireo razambeny ho manan-kasina mihitsy. Efa tamin’ny taona 1975 i Derness no nanomboka nitendry saingy, ny taona 1989 kosa no nomen’ny ray aman-dreniny tsodrano ary tena nifototra tamin’izany. Nisantatra sehatra lehibe voalohany i Derness, niaraka tamin-dry Rainindimby, tamin’io taona io, fotoana nampisokatra ny lalany ihany koa. Teo mantsy no nahitan’ny mpikarakara ny “festival Betsileo” azy.

Rehefa nisedra sehatra maromaro teto an-toerana izy, resy lahatra fa tokony hampahafantarina izao tontolo izao ny hakanton’ny mozika malagasy. “Hoy aho tamin’izay fotoana izay hoe tsy maintsy mifandray amin’ny firenena maro aho, izany hoe, mahay tenim-pirenena samihafa. Sarotra ny ahalalan’ny vahiny ny tena fototry ny mozikanao raha tsy izany”, hoy izy.

Ankoatra ny fahaizana tenim-pirenena, tokony hanana traikefa amin’ny fomba fanentanana sy firesahana eny an-tsehatra ihany koa ny mpanakanto maniry ny hitondra any ampita ny zavakantony, araka ny nambaran’i Derness ihany. Tsy latsa-danja amin’ireo rehetra ireo, mazava ho azy, ny fitazonana ny maha Malagasy.

 

Misafidy manokana ireo firenena miteny anglisy

Anisan’ny mampiavaka an’i Derness amin’ireo mpanakanto malagasy misehatra any ivelany any ny fisafidianany manokana ireo firenena miteny anglisy. Misy ifandraisany amin’ny tantara niainan’i Madagasikara izany safidy izany, raha ny nambarany. Nisongadina indrindra tamin’ireo hetsika nandraisan’ity mpanakanto ity anjara ny tany Japon, ny taona 1997. Izy mantsy no nahazo ny amboara eran-tany amin’ny mozika nentim-paharazana, tamin’io. Toerana nolalovany farany kosa ny tatsy Afrika Atsimo, tamin’ny desambra 2015.

Mahaliana ny vahiny ny mozikantsika saingy, ny mampalahelo, tsy toy izany isika Malagasy, tsy mba mankafy ny antsika”, hoy i Derness. Na izany aza, vonona ny lehilahy hanentana ny mpiray tanindrazana hiverina amin’ny niandohana. Vonona izy haneho ny talentany, eto an-tanindrazana. Ho heno sy ho hita amin’ny fahitalavitra, tsy ho ela, ny vokatra vaovao, mitondra ny lohateny hoe “Why not” na “Fa nahoana”, araka ny fampanantenany.

Miara-dalana hatrany amin’ny fikoloana ny mozika nentim-paharazana ny fampahafantarana na fampahatsiahivana ny fomba amam-panao malagasy. Nivoaka tamin’iny herinandro lasa iny, ohatra, ny horonantsary fanadihadiana momba ny fitsaboana nentim-paharazana, notontosain’i Derness.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503