Hitondra rivo-baovao. Izay no fanamby sy antenaina ihany koa, amin’ny tale vaovaon’ny Ofisim-pirenena misahana ny sarimihetsika (Omaci). Nihaona tamin’ireo matihanina manodidina ny sarimihetsika, omaly, Ramitandrinarivo Bon-Temps, tale vaovaon’ny Omaci. Manam-pikasana ny hitondra fanovana amin’ireo lalàna tsy mazava mahakasika ny tontolon’ny sarimihetsika izy, sy hampihatra ihany koa ireo lalàna efa mipetraka.
Niara-naiky rahateo ny rehetra fa mbola manjavozavo ny tontolon’ny sarimihetsika eto Madagasikara, ka samy fanina ny matihanina sy ny tompon’andraikitra.
Namaly ny antson’ny tale vaovaon’ny Omaci ireo mpanatontosa, mpamokatra ary mpilalao sarimihetsika. Nambarany fa amin’ny maha sampana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny kolontsaina ny Omaci, anjarany ny mametraka ny rafitra ara-dalàna hiasan’ireo matihanina amin’ny sarimihetsika. Manana andraikitra manetsiketsika ny sehatra kosa anefa ireto farany. Ankoatra izay, nanambara ihany koa ny tale vaovao fa hisokatra ny tsy ho ela ny tranonkalam-pifandraisan’ny Omaci.
Zo ny Aina