Raparivo R.R, andrarezin’ny sary hosodoko. 60 taona eo amin’io tontolon’ny zavakanto iray io. Tsy ho lalovam-potsiny izay vanim-potoana izay fa homarihina. Ho fanombohana ny hetsika rehetra, aranty ao amin’ny Tranombokim-pirenena, Anosy ny sanganasan-dRaparivo R.R, nanomboka omaly ka hatramin’ny 9 jolay izao.
Raha ny fanazavan’i Tiana Raparivo, mahatratra 21 ny tabilao haranty amin’io fotoana io ka ny 8 amin’ireo, sanganasan-dRaparivo R.R tamin’ity taona ity. Mampiseho ny hakanton’ny faritra sy ny mampiavaka azy ireny tsirairay ny ankamaroan’ireto haranty ireto. Anisan’izany ny tendrombohitra, renirano, hazo, zavaboahary amin’ny ankapobeny. Hisongadina ao anatin’io fampirantiana io ihany koa ny zotram-piainan’ity mpanao hosodoko manana ny lazany iraisam-pirenena ity.
Anisan’ny hampiavaka ity hetsika fanombohana ny fankalazana ny faha-60 taona nanaovan-dRaparivo R.R hosodoko ity ihany koa ny ahitana indray ireo ireo tabilao azy manokana (tsy namidy) sy ireo tsy lafo nandritra ny fampirantiana na hetsika natao tany aloha. « Hisy lehibe tokoa izy ireo satria mahatratra 1m 35 ny sakany raha 2 metatra eo ho eo ny lavany ».
Hisy atrikasa fampianarana sary ihany koa mandritra ity hetsika ity. Ny teknikan’ny sary manara-davana (technique de perspective) no hatoro amin’izany ka ao amin’ny Ofnac Cemdlac Analakely no hanatanterahana ny fiofanana.
HaRy Razafindrakoto