Niara-nanatanteraka lanonana roa sosona ny Vondron’ny mpikabary ankehitriny (VMPA) sy ny fikambanana Hajan’ny Gasy, teny amin’ny sekoly Mahaleovasoa Impec Anosibe, ny asabotsy lasa teo.
Nanamarika ny Iray volan’ny teny malagasy izy ireo ka maromaro ny hetsika nenti-nanome lanja izany, toy ny fampisehoana hira sy dihy manasongadina ny maha Malagasy. Teo koa ny famelabelaran-kevitra niarahana tamin’ny filohan’ny VMPA, niainga tamin’ny lohahevitra «Ny teny malagasy sy ny kabary ». Namaranana ny lanonana ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampianarana kabary, hiantsorohan’ny fikambanana Hajan’ny Gasy, ao amin’ny sekoly Mahaleovasoa Impec Anosibe.
Azo lazaina ho faralahy ny fikambanana Hajan’ny Gasy ao anatin’ny vondron’ny Mpikabary ankehitriny, raha ny nambaran-dRahajasoa Honoré, filoha mpanorina ny fikambanana. Nomarihiny fa efa namoaka andiana mpianatra ho mpikabary roa izy ireo ka andiany fahatelo, misalotra ny anarana « Manan-kasina » no hivoaka amin’ ity taona ity.
Nanamafy ny fahaiza-manaon’ireo efa mpikabary ny fikambanana ka anisan’izany ireo efa niofana tao aminy. Noho ny fangatahan’ny maro anefa, naverina indray ny fampianarana ireo mpanavao na maniry ny hahay ity kolontsaina malagasy ity, ka natomboka ny asabotsy teo izany. Ao anatin’ny telo volana no hamolavolan’ny Hajan’ny Gasy azy ireo. Teny fanevany ny hoe « Reharehako ny maha malagasy ahy ».
Landy R.