“Fanatitra”. Mirakitra trandraka sy forona maro sy miavaka io rakikira faran’ny Mage 4 io. Kasain’ny tarika hitondra aina vao ho an’ny tontolon’ny rock izany…
“Please come back again”. Ny lohateniny ihany no amin’ny teny anglisy mba hanaitra kokoa. Hira amin’ny teny malagasy izy io, ary anisan’ireo sanganasa vaovaon’ny tarika Mage 4. Anisan’ireo mandrafitra ny rakikira vaovao “Fanatitra” izy ity. Ho an’ireo efa naheno sy nahatsikaritra, miavaka kokoa amin’ireo hiran’ny tarika rehetra hatramin’izay izany.
“Nisy asa famoronana henjana be tao anatin’izy io. Natao hanairana sy hisarihana ny sofin’ny mpihaino ny feon’ny vata maroafitsoka amin’ny voalohany, toy ireny mozika klasika ireny. Mivadika ho rock tampoka izany avy eo, somary maka Metal Punk kanefa mitana ny loko Mage 4 ihany”, hoy ny fanazavana avy amin’ny tarika.
Araka ny fanazavana ihany, kasain’ny tarika Mage 4 hitondra fiovana amin’ny fironana eo amin’ny rock, sy ny mozika amin’ny ankapobeny io. “Hampahafantarinay ho ren’ny rehetra aloha, mba tsy hisy hitrandraka indray any aoriana ka sao heverina ho izahay indray no naka tahaka”, hoy hatrany ny fanazavana.
Araka ny efa nampahafantarina ihany koa, misy lohahevitra maromaro voizina ao anatin’ny rakikira “Fanatitra”. Miresaka ny fiainam-pinoan’ny olona amin’ny ankapobeny izany: ny fiandohan’izao tontolo izao, ny fibebahana, ny fanatitra, ny Apôkalipsy, izay miantso an’Andriamanitra hiverina fa efa ratsy ny fiainana (araka ilay hira “Please come back again”)…
Zo ny Aina