Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Famaranana ny faha-35 taona : hotronin’ireo mpanakanto namany ry Raberanto

$
0
0
RABERANTO

Revy gitara an-tsehatra”. Avy hatrany dia misy sary mipetraka ao an-tsaina sy any anatin’ny fanahin’ireo mpankafy… Araka ny efa nampanantenaina, hisy ny seho goavana sy faradoboka, hamaranana ny fankalazana ny faha-35 taona nisian’ny tarika Raberanto. Taorian’ny “Raberanto Mikalo” tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, manome fotoana ireo mpankafy etsy Antsahamanitra indray izy ireo, ao anatin’ity “Revy gitara an-tsehatra” ity.
Hotontosaina ny alahady 14 aogositra izao, manomboka amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro ny seho goavana, raha ny nambaran’ny mpikarakara. “Tanjona ny ampiarahana an-tsehatra ireo mpanakanto indray nihira tamin-dry Raberanto”, hoy ny fanazavana.
Araka izany, hifampizara an-tsehatra amin-dry zareo ny tarika Levelo, Thierra Bruno, Kolibera, Tselonina, Randrantelo, sns. “Famerenana ireo hira mampanembona ny mpankafy mihitsy no tanjona. Tena fampiaraham-peo sy fifanakalozana mozika mihitsy no hiseho amin’io fa tsy hoe fifandimbiasana an-tsehatra fotsiny”, hoy hatrany ny fanazavana.
Ho an’ny tarika Raberanto fotsiny, hahatratra 30 any ho any no halahatr’izy ireo. Mazava loatra fa tsy maintsy ao ireo hira tena andrasan’ny mpankafy toa ny “Vavaka”, “Vetson’ny kamboty”, “Nankaiza?”, “Teo am-bavahady”, “Malaso”, “Fanantenana”, sns.

Zo ny Aina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503