Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Echecs – Mondiaux Jeunes : hiaro ny voninahi-pirenena Rakotomaharo Fy

$
0
0
????????????????????????????????????

Hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja échecs ilay mpilalao malagasy mitana ny lohany nasionaly, Rakotomaharo Fy. Mialoha izany anefa, mbola hiatrika ny «Olympiade» ny tenany.

Rakotomaharo Fy. Mpilalao échecs malagasy milalao any Frantsa. Araka ny vaovao voaray teny anivon’ny federasiona malagasy (FMJE), hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany sokajy zandriny Rakotomaharo Fy. Fifaninanana iraisam-pirenena hotanterahin’ny federasiona iraisam-pirenena any Rosia, ny 30 septambra – 4 oktobra izao.

Nambaran’i Fy fa ilaina ny miatrika io hetsika goavana io raha te ho lasa lavitra amin’ny taranja échecs. Voalaza mantsy fa efa manana ny grady “maitre” roa i Fy amin’izao fotoana koa raha miatrika io hetsika goavana any Rosia io izy dia miakatra “grand maitre”. “Efa manana gradina “maitre” roa aho amin’izao fotoana ka tanjoko ny ho tonga “grand maitre” nefa tsy tody amin’izany raha tsy miatrika fifaninanana iraisam-pirenena goavana”, hoy i Fy.

Ankoatra izay, hiatrika ny “Olympiade” hotanterahina any Baku, Azerbaijan, ihany koa ity mpilalao malagasy any Frantsa ity, ny 1 – 14 septambra izao.

Tsy vaovao amin’i Fy ny fiatrehana hetsika iraisam-pirenena goavana. Efa niatrika ny “International Chess Open 2016” izay notanterahina teto Madagasikara, ny 20 – 25 jolay teo, izy. Efa niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Frantsa ihany koa ny tenany. Marihina fa norombahiny avokoa ireo hetsika ireo teo amin’ny sokajy misy azy.

M.N.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503