Tsy tao anatin’ny fandaharam-potoana. Antony manokana no tena nandalovan’i Lalatiana an-tanindrazana, amin’izao fotoana izao. Noho ny hetahetan’ny mpankafy anefa, fantatra fa hisy ihany ny fiarahana amin’izao fandalovany izao. Araka izany, ho etsy amin’ny Piment Café Behoririka ity mpanakanto ity, anio manomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva, ary rahampitso zoma, manomboka amin’ny 9 ora alina.
Saika ny zoma ihany ny fiarahana tapaka, tany am-boalohany. Maro loatra anefa ireo mpankafy efa ela naniriana hahita azy an-tsehatra. Kely ihany koa ny toerana, ka tapaka fa hasiana ihany koa anio hariva, ho fahafaham-pon’ny rehetra. Miandry ny seho goavana amin’ny fandalovany manaraka, araka ny fandaharam-potoany, kosa izay tsy afaka amin’ireo fotoana roa ireo.
Zo ny Aina