Notolorana mari-boninahitry ny kanto, soratra ary kolontsaina (Ordre des arts, des lettres et de la culture) ny mpanoratra sy mpikabary valo mirahalahy nahavita be teo amin’ireo seha-kanto misy azy ireo. Hetsika notanterahina tao amin’ny efitrano Rado, Tranombokim-pirenena Anosy. Fandaharam-potoana tafiditra tao anatin’ny fanakatonana ny zaikaben’ny Federasion’ny Mpikanto Teny sy Soratra (FMTS) raha ny fanazavan-dRabenandrasana lalao, filohan’ny FMTS.
HaRy Razafindrakoto
Ireo notolorana mari-boninahitra :
Eo amin’ny laharan’ny « Commandeur »
– Ralaisaholimanana Louis Dominique (Ilay)
– Ratrema William Rakotoarinia
Eo amin’ny laharan’ny « Officier »
– Rabearifeno Albert
– Andrianasolo Benoit
– Rakotomahafaly Norbert Eugène (Ranöe)
– Rasolomahenina Manirisoa (Niry Solosoa)
Eo amin’ny laharan’ny « Chevalier »
– Ramangazafy Clément
– Randrianasolo Ediama