Nisy ny fanentanana ny amin’ny tokony hanangonana ireo ohabolana sy ohapitenenana vaovao na tranainy nataon’ny Akademia Malagasy nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny teny ibeazana. Eo ihany koa ny fanohizana ny asa efa nataon’i DI… Anisan’ny antony nandrisika an-dRabenandrasana Lalao François (Nandrasana) hamoaka tsy ho ela ny boky « Ohabolana Rakikevitra Rakipahalalana » ireo, raha ny fanazavany. Hanana endrika rakibolana ity boky mahatratra 130 pejy ity.
Mahatratra 1320 ny isan’ny ohabolana ao anatiny. Hazavaina tsirairay ny niaviany sy ny heviny. Ohabolana mampiseho hevitra samihafa manamarina ny saina mandinika nananan’ny Ntaolo malagasy, ka itarafan’ny taranaka aty aoriana ny fiainany (Ntaolo). « Zava-dehibe eo amin’ny fampiroboroboana ny teny malagasy izany, indrindra fa ny famohazana indray ireo voambolana maro tsy fampiasa kanefa mirakitra haren-tsaina marobe », hoy ny mpanoratra.
Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa mpikabary anisan’ny nahasoratra boky maro indrindra Rabenandrasana Lalao François.
HaRy Razafindrakoto