Tontosa tetsy Antsahamanitra ny seho « Faradoboka milay » niarahana tamin’ny tarika Ny Ainga. Seho nampitamberina sy nametraka indray ireo mampiavaka ity tarika manana ny maha izy azy ity.
Afa-po ireo nanatrika! Niainga tany am-boalohany ka hatramin’ny nifaranan’ny fampisehoana, tsapa ho nifamatotra akaiky ny tarika Ny Ainga, teny an-tsehatra, sy ny mpijery tonga tetsy Antsahamanitra, omaly, nandritra ny seho “Faradoboka milay”. Tao anatin’izay hafanan’ny fifamatorana izay no nilazan’i Luc, iray amin’ireo mpikambana mpanorina ny tarika Ny Ainga, tamin’ny mpijery, fa “ izahay tsy mahatsapa fahabangana. Ao am-ponay ary tsy misaraka amintsika mihitsy i Om-Gui na tsy eto intsony aza”. Nanamafy izany rahateo koa ny mpijery raha nanontaniany.
Tamin’ny ankapobeny, nandray ny toeran’i Om-Gui teo amin’ny fanentanana i Luc. Hainy tanteraka ilay mametraka tantara kely na fehezanteny manana endrika fanontaniana hitarihana ny saina sy ny fo amam-panahin’ny mpijery hifantoka any amin’ny maha mpanabe sy mpampiala voly ny tarika Ny Ainga sy ny zavakanto ataony.
Ireo hira nahafantarana ny tarika hatramin’izay no nitana ampaham-potoana lehibe tamin’ity fampisehoana tetsy Antsahamanitra ity. Nitamberina ry “Ilay voalohany”, “Fitia voasedra”, “Takarivan’Analamanga”, sns. Noporofoin’ny tarika Ny Ainga tamin’ireny hira ireny rahateo ny fahaizan-dry zareo mifehy ny gadona samihafa, toy ny country, bagasy, trôpikaly…
… Tsikaritra teny an-toerana fa zary fanamby ho an’ny tarika Ny Ainga ny hanohy sy hampivelatra ny efa natombok’i Om-Gui eo amin’ny tontolon’ny zavakanto sy fanabeazana. Ny mpankafy ihany koa, vonona ny hiara-dalana hatrany amin’ity tarika ity, raha tazanina tamin’ny fientanam-pon’izy ireo omaly. Na izany aza, mila ampiana bebe kokoa ny serasera fampahafantarana ny hetsika goavana tahaka iny. Maro ireo tsy nahalala raha tsy ora vitsy nialoha ny fampisehoana.
HaRy Razafindrakoto