Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

« Vakio ny lasa, sorato ny ho avy » : hankalazaina any Miarinarivo ny « ILD »

$
0
0
????????????????????????????????????

Andro maneran-tany ho an’ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra na ny « International Literacy Day » (ILD). Zo fototra ananan’ny tsirairay ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra. Ho an’i Madagasikara manokana, any Miarinarivo, faritra Itasy no hankalazana ity Andro maneran-tany ity, rahampitso. Marihina amin’io ihany koa ny faha-50 taona nankalazan’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny kolontsaina sy ny fanabeazana (Unesco) ny « ILD ».

Anisan’ny nisafidianana manokana ny Faritra Itasy ny ezaka lehibe vitan’izy ireo teo amin’ny tahan’ny olona mahay mamaky teny sy manoratra izay nahatratra 77,8% tamin’ny vina nokendrena. Hotsiahivina mandritra ny fankalazana any an-toerana kosa ny fametrahana ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra ho antoky ny fampandrosoana ny isam-batan’olona sy ny firenena iray manontolo.

HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503