Mba ahafahany manajary kanto vaovao, nirona be any amin’ny fikarohana i Judicael, mpanakanto vao herotrerony eo amin’ny tontolon’ny hira sy ny mozika. « Wassa », io ilay gadona sy fomba fandihy vaovao eto Madagasikara notrandrahina avy amin’ny « Watsa ». Nanomboka nilalao mozika tany amin’ny taona 2010 i Judicael. Ankehitriny, faritra maro eto Madagasikara no efa nitondrany ny « wassa ». Tamin’ireo seho rehetra nataony ireo, « tafita sy voarain’ny mpijery ny « wassa » », hoy izy.
Mbola eo am-panaovana fitetezam-paritra rahateo i Judicael amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny fanatontosana ny fiakarana an-tsehatra any amin’ny faritra Sava, Sofia, Mananjary, Fenoarivo Atsinanana, Foulpointe, sns.
Tsy mirona any amin’ny fakana tahaka na fanaovana dika mitovy ity mpanakanto ity fa mametraka ho zava-dehibe ny asa fikarohana sy famoronana.
HaRy Razafindrakoto