Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Vaky boky : tsy kolontsaina malagasy intsony

$
0
0
boky

Tsy marina ny filazana fa tsy kolontsaina na tsy kolo saina malagasy ny famakiana boky. Na avy any ivelany aza no nidiran’ny boky voalohany teto Madagasikara, nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny famolavolana ny sain’ny Malagasy ny boky. Anisan’izany ny Baiboly, ny boky fianarana samy hafa, sns. Raha ny fanadihadiana natao taty Afrika teo anelanelan’ny taona 1960 ka hatramin’ny taona 1972, ny Malagasy no mpamaky boky be indrindra raha jerena amin’ny isan’ny boky lafo teto Madagasikara. Porofo io ilazana fa tena kolontsaina sy kolo saina malagasy tokoa ny vakiboky.

Ho an’ny mpanoratra sasany, ilay fanabeazana tany an-tsekoly mihitsy no anisan’ny nampitotongana ny tahan’ny famakiam-boky teto Madagasikara. Ho an’ny mpanoratra hafa indray, ilay politikam-pirenena ho fampitiavana ny vakiboky mihitsy no narefo nanomboka ny taona 1975.

… Ny lanjan’ny boky sy ny voarakitra ao anatiny mihitsy no mila hikarohan-dalana hipaka any amin’ny Malagasy tsirairay raha tiana hiverina io fitiavany mamaky boky io.

HaRy Razafindrakoto

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503