
Maniry toy ny anana, araka ny fomba fiteny, ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana. Henjana ny fifaninanana, vokatr’izany. Anisan’ny entin’izy ireo misarika ny ray aman-dreny ireo taranja ivelan’ny fianarana, toy ny dihy. Nambaran’i Andry Nirina, mpampianatra dihy, anefa fa ataon’ny sekoly sasany fitadiavam-bola fotsiny izany. Dinidinika.
(*) Gazety Taratra : Nanao ahoana ny niantombohanao teo amin’ny sehatry ny dihy ?
(-) Andry Nirina, mpampianatra dihy sady mpanorina ny kaompania Dinirina : Lehibe tany Mahajanga aho ary tany no nanombohako nianatra dihy, « danse classique », tamin’izany fotoana izany. Avy eo, nitohy teto Antananarivo ny fianarana ary niitatra tamin’ny karazan-dihy hafa, toy ny dihy ankehitriny. Rehefa tafiditra teo amin’ny sehatry ny matihanina kokoa, nanatevina ny fahalalana niaraka tamin’ny mpampiofana vahiny… Ary tapa-kevitra ny hanao antom-pivelomana ny dihy.
* Inona no antony nisafidiananao ny hampianatra dihy eny anivon’ny sekoly ?
– Tamin’ny voalohany, rehefa nanapa-kevitra ny hiaina tanteraka amin’ny dihy aho, hita fa tsy ampy ho fidiram-bola ny fampisehoana. Izay no nahatonga ahy hampianatra ka tany amin’ny fokontany no nanombohako izany. Avy eo, tsy maintsy niofana manokana momba ny fampianarana dihy any am-pianarana aho. Misy fahalalana tsy maintsy ananana mantsy raha te hampianatra ankizy … Misy ny mahay mandihy, saingy tsy mahay mampianatra. Manampahaizana vahiny no nampiofana ahy, tamin’ny taona 2012.
* Ilaina tokoa ve itony taranja ivelan’ny fianarana, toy ny dihy, itony ?
– Tena ilaina amin’ny fitomboan’ny saina sy amin’ny fahasalaman’ny vatana ny dihy. Ny lesoka anefa dia ity : ataon’ny sekoly sasany fitadiavam-bola ny fampidirana azy ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny ankizy any am-pianarana. Fantany fa tian’ny ray aman-dreny ny fianaran’ny zanany dihy ka ataon’ny sekoly lafo ny saram-pianarana. Ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana ilaina amin’izany anefa, tsy ampy na ratsy, toy ny fahateren’ny trano. Rehefa tonga indray ny faran’ny taom-pianarana, asaina manao fampisehoana ireo ankizy ary tsy raharahany akory izay hatsaran’ny zavatra ataon’izy ireo fa hoe rehefa mihetsiketsika, toy ireny amin’ny fahitalavitra ireny, dia efa mety. Tokony hisy sokajiny, arakaraky ny taona, anefa ny fianarana homena azy ireo.
Dinika nangonin’i Landy R.