Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

« Hiragasy makotrokotroka » : ho fantatra rahampitso izay hanao famaranana

$
0
0
hiragasy

Iza no hifampitana amin-dry Rafarahasimanga Georgine, avy any Ambohimandroso, amin’ny dingan’ny famaranana ? Ity tarika ity tokoa no nandresy tamin’ny dingan’ny manasa-dalana, ampahany voalohany, ny alahady lasa teo teny Andohalo, mbola ao anatin’ilay hetsika « Hiragasy makotrokotroka » hatrany.

Hotanterahina rahampitso kosa ny manasa-dalana andiany faharoa, ihaonan-dRasoahasimanga Berthine, mbola avy any Ambohimandroso hatrany, sy ry Roberson, avy eny Fenoarivo. Ny iray amin’ireo tarika ireo izany no hiatrika ny famaranana, amin’ity andiany fahafito ity, ny alahady 16 oktobra izao, eny Andohalo fa tsy eo anoloan’ny lapan’ny Tanàna toy ny mahazatra, noho ny fandaminana.

Tsiahivina hatrany fa hetsika fanaon’ny Ofisim-paritry ny fizahantany eto Analamanga (Ortana) isaky ny fotoam-pialantsasatra ny « Hiragasy makotrokotroka ». Tanjona ny hampahafantatra sy hampiaina indray ny adin-kiragasy. Eo koa ny isarihana ny mpizahatany hijanona eto Analamanga, amin’ny alalan’ny harena ara-kolontsaina sy ara-javakanto, toy ny hiragasy.

Araka ny fanamarihan’ny mpikarakara, tena misy fanantenana ary efa azo tsapain-tanana ny fahatrarana ireo tanjona ireo. « Efa lasa be olona hatrany ny adin-kiragasy isaky ny alahady. Mihamaro ny vahiny fa ao koa ny malagasy, efa mpankafy na lasa mpankafy hiragasy », hoy izy. Ankoatra ny « Hiragasy makotrokotroka », mbola mitohy hatramin’ny 22 oktobra izao ny « Festival des échecs » etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Hetsika mbola tontosain’ny Ortana hatrany.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503