
Anisan’ny hetsika goavana, tamin’iny faran’ny herinandro iny, ny fampisehoana faharoa natao tetsy Antsahamanitra, mbola tafiditra ao anatin’ny “Festival Madajazzcar” andiany faha-27. Zavatra tsapa voalohany ny hoe be mpankafy ity mozika jazz ity eto amintsika. Raha mitaha amin’ny andiany teo aloha, mihamaro hatrany ireo tonga mijery ny hetsika, toy ity tetsy Antsahamanitra ity.
Azo lazaina ho efa avo lenta sy mendrika ny maha iraisam-pirenena azy ihany koa ny “Madajazzcar”. Manana mpanakanto matihanina amin’ny jazz isika ary azo antenaina tsara ny mandimby. Anisan’ny nisongadina, ohatra, ny niakaran’i Jeannot Rabeson an-tsehatra. I Jeannot Rabeson, anisan’ireo zoky nanandratra ny jazz eto amintsika ary namiratra hatrany ivelany any.
Na efa 80 taona aza ny lehilahy, mbola hita taratra ny maha andrarezina azy. Nambaran’ny mpanentana teny an-tsehatra fa mendrika ny hanomezam-boninahitra azy iny fampisehoana tamin’ny asabotsy iny. Na izany aza, tsy latsa-danja sy hita ho manana ny hoaviny ireo zandry, toy an-dry Efadjazz, “tremplin” na nasandratr’ity “Madajazzcar” andiany faha-27 ity.
Landy R.