
Ny 24 ka hatrami’ny 29 noktobra izao, hotontosaina ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely ny « Herinandron’ny Havatsa » taona 2016. Anisan’ny hitana ampahan-toerana lehibe ao amin’ny fampirantiana ny momba ny haisoratra malagasy. Ny lalana nodiavin’ny Havatsa tao anatin’ny 64 taona (Tantaran’ny Havatsa sy izy 15 mirahalahy nanorina), sns.
Hifanindran-dalana amin’ity « Herinandron’ny Havatsa » 2016 ity ny faha-150 taon’ny gazety malagasy. Hisy ny ampaham-potoana sy ampahan-toerana hampirantiana sy ilazalazana ny momba ny gazety sy mpanao gazety tranainy, eny an-toerana. Ankoatra ireo, tanterahina ny alarobia 26 oktobra amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ny velakevitra telo sosona iarahana amin’Andrianasolo Hajaina Naomy, mpampianatra mpikaroka sy Ranjatohery Harilala, mpampianatra tantara, ary Razaiarisoa Marie Olga. Saika hifantoka amin’ny sehatry ny haisoratra sy ny gazety fahiny avokoa izy ireo.
HaRy Razafindrakoto