Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

IFM – Kaonseritra klasika : nisongadina ny sangan’asan’i L.V. Beethoven

$
0
0
????????????????????????????????????

Miavaka sady mirindra, hany ka nampiala sasatra sy nampitony saina amam-panahy ny kaonseritra klasika, omaly tetsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely. Tafiditra indrindra ao anatin’ny kaonseritra klasika amin’ny mitataovovonana, hetsika efa fanaon’ny fikambanana Madagascar Mozarteum, isam-bolana, izany ary ny andiany faha-72 iny, omaly, iny.

Toy ny isaky ny andiany, nanana ny nampiavaka azy ny omaly, izay niarahana tamin’ny mpanakanto telo mirahalahy : Herimanitra Ranaivo (mpitendry piano), Joachim Rakotoniaina (teo amin’ny violon) ary i Kiady Rakotomalala (mpitendry violoncelle). Izy telo mirahalahy ireo, misalotra ny anarana Kanto’s Trio.

Nentin’izy ireo an-tsehatra, nandritra ny 40mn, ny sanganasan’ilay mpamoron-kira klasika malaza i Ludwing Van Beethoven, ilay mitondra ny anarana « Le trio à l’archiduc ». Fiarahan-javamaneno telo (piano, violon, violoncelle) izy ity ary anisan’ireo « trio » noforonin’i Beethoven nalaza sy mbola malaza indrindra. Marihina mantsy fa efa antitra sy narenina tanteraka ity mpanakanto ity tamin’ny fotoana namoronany izany (ny taona 1811).

Mpanakanto efa samy matihanina sy tsy zovina intsony, eo amin’ny tontolon’ny mozika klasika malagasy, i Herimanitra Ranaivo, Joachim Rakotoniaina ary i Kiady Rakotomalala. Azo lazaina ho tsy nisy nokianina ny nitendren’izy ireo ity sanganasa fantatra maneran-tany ity.

Ny 16 novambra izao indray no fotoana amin’ny kaonseritra klasika amin’ny mitataovovonana, ao amin’ny IFM. Taorian’ity fiarahan-javamaneno ity, antenaina fa hibahan-toerana indray ny fampiaraham-peomanga, ao anatin’ny « Bouquet de voix ».

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503