
Malaza ho manan-talenta ny Malagasy raha eo amin’ny tontolon’ny mozika. Manaporofo izany ireo mpanakantontsika (mpitendry zavamaneno sy mpihira) malaza hatrany ivelany any. Ny mahagaga, vitsy amin’izy ireny ny nianatra tany amin’ny « conservatoire ». Milaza ny heviny Rakotonirina Dominique, mpampianatra mozika.
Gazety Taratra (*) : Taiza avy ny lalana nodiavinao ka nahatongavanao amin’izao toerana maha matihanina anao amin’ny fampianarana mozika izao ?
Rakotonirina Dominique (-) : Nanomboka tamin’ny fahasivy taonako aho no nianatra mozika tany an-tsekoly. Taorian’izay, niditra tamina antoko mpihira tany am-piangonana. Nanomboka teo, nisokatra tamin’ny fifaneraserana tamina matihanina amin’ny mozika, Malagasy sy vahiny, aho. Tamin’ny alalan’izany no nahafahako nandray anjara tamin’ny fiofanana sy « master class » samihafa, teto an-tanindrazana sy tany ivelany (La Réunion sy Frantsa).
* Ahoana ny nahazoanao niatrika ireo fiofanana ireo, satria tsy ny olon-drehetra no hahazo izany ?
– Matetika, nisy ny fifaninanana tamin’ny alalan’ny fitsapam-pahaizana. Teo koa anefa ireo mpikarakara, nanasa ahy manokana.
* Hatramin’izao, mbola tsy misy « conservatoire » eto amintsika. Inona ny mety ho olana amin’ny fananganana izany ?
– Efa maro dia maro ny sekoly mampianatra mozika eto amintsika. Misy amin’izy ireny no tsara, izany hoe, manana rafitra sy fitaovana arifomba ary mpampianatra matihanina, manana mari-pahaizana avy amin’ny sekoly any ivelany… Tokony hisy ny fenitra iraisam-pirenena arahina ahazoana ny anarana maha « conservatoire ». Miankina amin’ny fanjakana ihany koa anefa ny zavatra rehetra.
* Ampy ve ny fiofanana amin’ireny sekoly sy foibe ireny ?
– Miankina amin’ny tanjon’ilay mpianatra ihany izany. Misy mantsy ny mametraka ho fialamboly ny fianarana mozika. Ao koa anefa ireo te ho matihanina mihitsy. Mikasika ito farany, olana ny tsy faneken’ny sekoly na « conservatoire » lehibe any ivelany ny diplaoma omen’ny sekoly eto amintsika na tsy latsa-danja amin’ny any aza ny fahaizan’izy ireo. Manoloana izany, miezaka mitady mpiara-miasa izahay mpampianatra ahafahan’izy ireo manohy fianarana any ampita.
* Manao ahoana ny fijerinao ny fivoaran’ny fahaizana mozika eto amintsika ?
– Raha mitaha ny tamin’ny 10 taona lasa, azo ambara fa misy ny fivoarana. Manomboka tsapan’ny olona hoe ilaina ny fianarana mozika ary tsy tokony hanaotao foana.
Dinika nangonin’i Landy R.