Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Tarika ‘Zay : “Hotetezina an-kira ny 20 taona”, hoy i Nary

$
0
0
zay

Mpinamana vitsivitsy, natambatry ny fitiavana mozika, no niketrika ka nahateraka ny tarika ‘Zay. Nandalo dingana sy sedra marobe, nifandimbiasan’ny tsara sy ny ratsy, saingy teo foana ny tarika…
Araka ny fampanantenana efa nataonay, tsy handalo fotsiny fa homarihina mba hipetraka ho tantara ny faha-20 taona. Tonga amin’ny ivon’ny fankalazana isika izao. Hotetezina an-kira izay taona rehetra nandalovana izay, ary iarahana izany, “hoy ny nambaran’i Nary, mpamoron-kiran’ny tarika ‘Zay.
Hotontosaina ny alahady 6 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora sy 20 minitra, ilay seho goavana, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Fotoana ifanomezan’ny tarika sy ny mpankafy isaky ny 2 taona izy io, satria tamin’ny taona 2014 ny fiarahana tao farany.
Izaho tsy hiteny hoe toy ny ahoana ny endriky ny seho amin’io, fa aleo mba hanaitra ny mpankafy izany. Ny azoko ambara kosa amin’ny lafiny ara-mozika, manomboka eto hisy mpitsoka zavamaneno ao amin’ny tarika. Ho mariky ny fitohizana izany, sy fibanjinana ny hoavy koa”, hoy hatrany ny nambaran’i Nary.
Mpanakanto tanora, kanefa efa misongadina ireo mpitsoka zavamaneno manaraka ny tarika ‘Zay ireo. Tsy hanampy fotsiny fa hifampizara ny sehatra amin-dry Nary, Malala, Mamy, Haingo, Nini, Tovo ary Hervé mihitsy izy ireo.

Randria.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503