Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Vakoka sy ny hasiny : tsaroana etsy amin’ny IKM ny fahamaizan’ny Rova

$
0
0
????????????????????????????????????

21 taona aty aoriana, manatontosa hetsika ahatsiarovana ny nahamay ny Rovan’Antananarivo ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola. Fampirantiana, velakevitra, fifaninanana tononkalo sy sary (sary atao tanana sy saripika), rindran-kira. Ireo no mandrafitra ny fandaharam-potoana mandritra ny telo andro,  nanomboka omaly.

Anisan’ny nanatontosana ity hetsika ity ny fahatsapana fa « mihen-danja ny fahatsapan’ny Malagasy ny vakoka sy ny hasina ananany. Tsy haintsika intsony ny lanjan’izy ireny manoloana ny firenena sy maneran-tany », hoy i Andriamahery Tsiaro, mpandrindra ara-kolontsaina eo anivon’ity ivontoerana ity.

Ho an’ny omaly, nahaliana ny mpianatra ireo velakevitra telo niarahana tamin’ireo mpahay tantara, mpikajy ny vakoka ary akademisianina. Tamin’ny ankapobeny, nifantoka tamin’ny Rovan’Antananarivo sy ny tantara  ireo velakevitra ireo.

Araka ny nohazavain’ny tale jeneralin’ny kolontsaina sy ny vakoka, efa ao anatin’ny tetibola sy ny tetikasan’ny fanjakana malagasy ny hanohizana ny fanarenana ny Rovan’Antananarivo.

HaRy Razafindrakoto

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503