Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Lany ny tapakila rehetra… : nifanotofana ny fety niaraka tamin-dry ‘Zay

$
0
0
????????????????????????????????????

 Fotoan-dehibe ho an’ny tarika ‘Zay ny omaly, nanatontosana ny seho goavana, nanamarihana ny tsingerintaona faha-20 niorenan’ny tarika. Fotoan-dehibe, nahatsapana fa ny taona no mivadibadika, saingy ny fitiavan’ny mpankafy hatramin’izay kosa, tsy miova.

Ela niandrasana ny mpankafy tarika ‘Zay eto Antananarivo. Andro vitsivitsy nialoha ny fampisehoana, lany avokoa ireo karazana tapakila (VIP, famandrihana, tapakila tsotra). Mbola tsikaritra izay fanirina mafy izay, omaly, andron’ny fampisehoana tetsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena, etsy Mahamasina. Na efa fantatra aza izay fahalanian’ny tapakila izay, mbola marobe ireo tonga teny, nanantena sao mba tafiditra ihany.

Araka ny efa nampanantenaina, nanomboka tamin’ny 3 ora sy 20mn katroka ny fotoana, toa nahatsindrian-daona ny tsirairay. Fampisehoana, izay tokoa no nitranga nanomboka tamin’io ora io, ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy tao anatin’izay 20 taona izay.

Nialoha ny fampisehoana, nisarona tanteraka ny sehatra teo afovoany, niavaka noho ny fahita hatramin’izay. Minitra vitsy talohan’ny ora nifanomezana, nandeha ny fanisana ny segondra sy ny minitra. Nigadona ny tamin’ny 3 ora sy 20mn, nilatsaka ny lambafotsy nanarona ny sehatra. Raikitra ny fety, izay natomboky ny tarika tamin’ny « Tsy miova », toy ny fitiavan’ny mpankafy azy ireo.

Araka ny efa nampanantenaina, noezahina nentina an-tsehatra avokoa ireo hira nahalalana ny tarika ‘Zay tao anatin’izay 20 taona izay. Nisy aza ireo tsy dia fandre intsony, saingy notsiahivina indray ka nampitsiky sy namerina fahatsiarovana teo amin’ny mpankafy. Na izany aza, mbola tsy miala eo ambavan’ny maro ireo hira tena nampalaza ny tarika, toy ny « Manahirana », « Malala », sns.

Raha izay ny 20 taona lasa, mampanantena 20 taona hoavy tsaratsara kokoa izy ireo. Nanamarihana izany sahady ny fanatsarana ny zavamaneno, ny fisian’ny mpitsoka « cuivre » telomirahalahy, izay hiaraka amin’ny tarika manomboka eto.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503