Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

« 3 mn franco’folles » : teny folo hanehoan-kevitra anaty 3 mn

$
0
0
francofolles

Higadona afaka andro vitsy ny fihaonambe faha-16 an’ny frankofonia, hatao eto amintsika. Manomboka sahady anefa ireo hetsika ara-kolontsaina sy ara-javakanto miara-dalana amin’izany ary enti-maneho ny fampirasaina firenen-tsamihafa amin’ny alalan’ny frankofonia.

Hanomboka rahampitso, ohatra, ny fihaonambe fahenina an’ny « Caravanes des dix mots », izay tsy hifarana raha tsy ny 27 novambra izao. Ao anatin’ireo hetsika manana ny mampiavaka azy, mandritra ity fihaonambe ity, ilay hoe « 3 minutes franco’folles », hotontosaina etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely, ny asabotsy tolakandro izao.

Samy haneho ny fahaizany mampiasa sy mampifandray ireo teny frantsay folo efa nosafidin’ny mpikarakara ireo mpandray anjara, ireo havanana amin’ny fahaiza-mandaha-teny sy maneho hevitra, toy ny mpanao « slam ». Tsy inona ireo teny ireo fa : « avatar, favori(te), canular, héberger, fureteur(euse), émoticône, nomade, télésnober, nuage, pirate ».

Raha tsiahivina, isaky ny « Herinandron’ny teny frantsay sy ny frankofonia », misy hatrany ny fifaninanana mamoron-dahatsoratra ahitana ireo teny folo efa nosafidin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny frankofonia. Tontosaina any amin’ny firenena frankofona marobe izany ka anisan’izany ny eto amintsika. Vokatr’io no nahatonga ny « Caravanes des dix mots », izay fikambanana mivelatra any amin’ny firenena 30 eo ho eo, amin’izao fotoana izao. Manatontosa fihaonambe izy ireo, isaky ny roa taona.

Landy R.

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503