Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

IFM – Mozika klasika : feo manga nihira fitiavana

$
0
0
????????????????????????????????????

Nanakoako ny feo manga tamin’ity andiany faha-73 ity, feo manga nihira fitiavan’olon-droa sy ny sedra nolalovany. Nangorovitsika ny tany anaty rehetra tany… Nientanentana ny fo amam-panahy raha vao nanomboka ny « Festival di Venezia » (an’i Gioachino Rossini), nisantatra ity kaonseritra klasika, mitondra ny lohateny hoe « Bouquet de voix » na amboaram-peo, ity. Kanto loatra ary tsy mena-mitaha amin’ny hafa ny feon’izy dimy mianadahy, narahan’i Vitou Razafitrimo sy Clarck Rajaona, teo amin’ny fitendrena piano.

Raha fintinina, samy efa manan-talenta momba ny mozika sy nanamafy izany tamin’ny fianarana i Mino (feo soprano), i Mitantsoa (mezzo-soprano), i Rindra (mezzo-soprano), Hajatiana (ténor) ary i Ando Ny Aina (barython-basse). Samy efa zatra sehatra ihany koa izy ireo, hany ka tsapa ny fahaiza-miaina sy maneho ny kanto ary ny tian’ny hira ambara.

Sanganasana mpamoron-kira klasika fanta-daza maromaro no nentin’izy fito mianadahy an-tsehatra. Anisan’izany ny an’i Gioachino Rossini, Jacques Offenbach, Franz Lehar, Jules Massenet, Georges Bizet. Niompana kokoa tamin’ny tontolon’ny fitiavana izany.

Manolotra zava-baovao hatrany ny fikambanana Madagascar Mozarteum, ao anatin’ny « Kaonseritra mozika klasika amin’ny mitataovovona ». Hetsika fanao isam-bolana izy ity, ka amin’ny 21 desambra ny andiany faha-74, iarahana indray amin’i Clark Rajaona, mpitendry piano.

Ankoatra ireo, mandefa kaonseritra sy « opéra » avy any ivelany, amin’ny alalan’ny « écran géant » ihany koa ny fikambanana. Ilay « opéra » mitondra ny lohateny hoe « Elektra », an’i Richard Strauss, ohatra, no halefa ny 3 desambra izao, ao amin’ny IFM hatrany.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503