
Maro ny hetsika ara-kolontsaina sy ara-javakanto miara-dalana amin’izao fandraisantsika ny fihaonana an-tampony faha-16 an’ny frankofonia izao. Azo lazaina ho mahazo tombony manokana amin’ireny anefa ireo mpisehatra sy mpankafy sarimihetsika.
Herinandron’ny horonantsary frankofona ity herinandro ity ary maro ny hetsika karakarain’ny fikambanana Vues d’Afrique sy ny Rencontres du film ary ny OIF, nanomboka ny talata teo hatramin’ny alahady izao. Toerana maromaro no mandray ireo : ny zaridainan’Antaninarenina, ny Institut français de Madagascar (IFM), ny Lycée moderne Ampefiloha, ny Cercle germano-malagasy, ny kolejy Saint-Michel, ny Is’Art Galerie ary ny INTH. Ho an’ny androany, ohatra, hisy ny atrikasa sy kaonferansa momba ny filalaovana « film ». Eny amin’ny IFM io raha toa ka fandefasana horonantsary arahina adihevitra ny eny amin’ny INTH sy eny amin’ny CGM.
Etsy ankilan’izay, nanomboka ny alatsinainy teo ary hatramin’ny rahampitso, misy Malagasy miisa 25, avy amin’ny faritra samihafa, miofana momba ny « cinéma » sy ny horonantsary fanadihadiana. Mikarakara ity hetsika ity kosa ny ofisy nasionalin’ny horonantsary any Kanada, ny ofisy malagasy momba ny « cinéma », miaraka amin’ny OIF, mazava ho azy.
Landy R.