
Maro ny voka-pandinihana efa nivoaka momba ny tontolon’ny vakiboky eto Madagasikara. Anisan’ireny ny filazana fa « tsy misy mpanoratra eto. Faharoa, tsy tia mamaky boky intsony ny olona ». Hentitra ny valintenin’i Ranöe, mpanoratra sady mpampianatra taranja malagasy, « tsy marina ireo filazana ireo. Manana mpanoratra ny Malagasy sady tia mamaky boky izy ». Nohazavainy tamin’izany fa « ny famoahana boky no manahirana eto… Raha voavaha io olana io ka tonga eny am-pelatanan’ny mpanjifa ny boky, vakiny iny ». Nohamafisiny anefa fa « na mivoaka aza ny boky ka mbola amin’ny vidiny lafo tsy takatry ny fahefa-mividin’ny Malagasy, tsy ho tonga eny am-pelatanany mihitsy ». Noho izany, « ilaina ny fametrahana paikady mazava tsy hampidangana ny vidim-boky sy tetika matipaika, hampiakarana ny fahefa-mividin’ny mpanjifa ary ny hahatonga ny vakiboky ho anisan’ireo laharam-pahamehana ho an’ny tokantrano tsirairay ».
Anisan’ny porofo nentin’i Ranöe nanohana ny heviny ny isan’ny mpanoratra nandray anjara tamin’ny fifaninanana manoratra tantara foronina amin’ny teny malagasy sy nanoratra tamin’ny teny frantsay. Nahatratra 37 teo amin’ny fiteny malagasy raha latsaka kely amin’io ny tamin’ny fiteny frantsay. Saika tanora avokoa ny ankamaroan’izy ireo.
HaRy Razafindrakoto