
Volana desambra, fotoana fametrapetrahana ny fandaharam-potoana, matetika, arahim-panavaozana mandritra ny taona hoavy. Voakasik’izany koa ny tontolon’ny zavakanto. Ho an’ny Sehatra bà gasy, ohatra, hanakaiky kokoa ny mpiray tanindrazana izy ireo amin’ny fampahafantarana ny lafin-kolontsaina manodidina ity gadona tena malagasy ity.
Fikambanana tokana mampiroborobo ny bà gasy amin’ny alalan’ny hetsika samihafa sady mampivondrona ireo rehetra mpiangaly, mpitendry na koa mpankafy fotsiny ity gadona ity ny Sehatra bà gasy. Na vao haingana aza ny niorenan’ny fikambanana, azo lazaina ho efa nahavita dingana lehibe izy amin’ny fampiroboroboana ny bà gasy. Tsy mbola ampy anefa izany.
Ezaka voalohany hotanterahina ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fijoroan’ny fikambanana Sehatra bà gasy. Inoana fa mbola maro ireo mpankafy, mpihira na koa mpitendry zavamaneno liana ka maniry hiditra ho mpikambana. Ilaina koa io fampahafantarana io ho fampitomboana ny fiaraha-miasa amin’ny olon-tsotra na koa sehatra tsy miankina te hanohana ny hetsika karakaraina.
Hanatevina ny fandaharam-potoany ny fikambanana, manomboka amin’io taona vaovao 2017 io ka apetraka ho tanjona ny hampanakaiky kokoa ny vahoaka ny lafin-kolontsaina sy karazan-javakanto mifamatotra amin’ny tontolon’ny bà gasy. Tsy gadona na fomba fitendry na koa angola ihany mantsy ny bà gasy. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fomba fianjaika mbamin’ny taovolo.
Araka ny fanazavan’ny filohan’ny Sehatra bà gasy, hisy fampisehoana mivelatra na fampirantiana mikasika ireo rehetra ireo, amin’io taona hoavy io. Mikarakara vela-kevitra ihany koa izy ireo ho fanatevenana ny fahalalan’ny tsirairay, indrindra ny tanora mpianatra.
Hitohy ny tetikasa nahitam-pahombiazana
Mifampitohy sy mifampiankina ireo hetsika tontosain’ny Sehatra bà gasy isam-bolana, eto Antananarivo. Mbola hitohy ireo hetsika ireo, amin’io taona vaovao io. Na izany aza, ho matotra sy ho matihanina kokoa ny fikarakarana ireo, araka ny fanambin’ny filohan’ny fikambanana hatrany.
Isaky ny alarobia voalohany amin’ny volana, mifampizara traikefa ireo mpiangaly bà gasy (mpihira sy mpitendry) ho fanamafisana ny fahaiza-manao. Tsy ho azy ireo ihany anefa io fotoana io, satria misy koa ny fampianarana ireo mbola tsy mahay mihitsy. “Atrik’efa” ny anaran’ity hetsika ity. Aorian’izany, isaky ny asabotsy faharoa, mampihatra ny fahalalana vaovao azony ireo mpiangaly.
Ary ny alahady farany amin’ny volana, misy ny “Bà gasy an-tsehatra”, fampisehoana lehibe hanasana matihanina na ireo zoky eo amin’ity tontolo ity. Homena sehatra koa anefa ireo tropy na tarika taty aoriana, vonona ny haneho ny talentany. Marihina fa mihamaro hatrany ny tanora liana amin’ny bà gasy. Tsikaritra izany mandritra ireo fampisehoana karakarain’ny fikambanana isaky ny alahady farany.
Landy R.