Tsy havela ela fa hareninana haingana ny Tranomasin’Andriatnompokoindrindra eny Ambohimalazabe, izay ravan’ny afo.
Levon’ny afo ny “Tranomanara” na “Tranomasina” voalohany eto Madagasikara, ny alin’ny talata lasa teo. Ilay eo ambonin’ny fasana nanafenana an’Andriantompokoindrindra ao Ambohimalazabe io. Nanampy isa indray ireo vakoka mitahiry ny tantara, levon’ny afo, araka izany, ity toerana ity.
Afo niniana natao, sa loza tonga ho azy? Mbola manjavozavo ny raharaha. Ny fantatra aloha efa nisy maromaro ihany ny afo saika nananika ity toerana masina ho an’ny taranak’Andriantompokoindrindra eny Ambohimalaza ity, saingy izao vao nahakasika azy izany.
“Hevi-dratsy entina hamotika ny hasin’Andriantompokoindrindra, ny hasin’andriana, ny hasin’Imerina, ny hasin’ny firenena. May ny trano, kila ny hazo, voakasika ny marika hita maso fa tsy nisy nahakasika ny toerana nametrahana an’Andriatompokoindrindra miafina…” hoy ny ampahan’ny fanambarana nataon’ireo taranaka. Nanamafy ny fanambarana fa “ny may tsy maintsy harenina, ny nianjera tsy maintsy hajoro, ny rava tsy maintsy hatsangana indray ary ho tsara kokoa noho ny teo aloha aza…”.
Tsy niandry ela, araka izany, ny fifampiantsoana fifanomezan-tanana avy amin’ny taranaka sy izay rehetra vonona, amin’ny fanarenana ny vakoka. Misy ny fomba hatao ho famerenan-kasina ny toerana. Hisy ihany koa ny fisorohana mba tsy hiverenan’ny toy izao intsony, araka ny vaovao azo ihany.
Zo ny Aina Randriatsiresy