Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

« Angels Music Awards » : misy malagasy notsongaina hifaninana

$
0
0
AWARDS

Tendry Rajaonson, mpanakanto Malagasy mivoy ny hira ara-pilazantsara, no anisan’ireo mifaninana amin’ny “Angels Music Awards”.

Tsy ny hira madinika ihany no ifaninanana sy ahazoana loka na « awards » sy voninahitra, any ivelany any. Ahitana izany koa ny tontolon’ny hira ara-pilazantsara. Any Frantsa, misy ny « Angels Music Awards » ka misy mihitsy mpanakanto malagasy anisan’ireo notsongaina hiatrika izany. Tsy iza izany fa ilay tovolahy mpihira sady mpamoron-kira antsoina hoe Tendry, monina any Frantsa.

21 taona i Tendry, mirona kokoa amin’ny mozika rap rehefa nifindra any Frantsa. Mazava ho azy, ny hira ara-pilazantsara no voiziny. Nivoaka tamin’ny taona 2012 ny rakikirany voalohany ka niverina teto Madagasikara izy taorian’izany.

Miisa 72 ny mpanakanto sy tarika mpihira ary tarika mpanao « comédie musicale » voaray hifaninana amin’ity « Angels Music Awards » ity. Frantsay ny ankamaroan’ireo, saingy mivelatra amin’ny rehetra ny fifaninanana, hany ka ahitana soisa, kanadianina, afrikanina, sns. Ny 9 janoary teo no nampahafantarana azy ireo.

Tsara ny manamarika fa vao ny andiany faharoa amin’ny « Angels Music Awards » ny amin’ity taona ity ary hotanterahina ny 4 jolay izao, ao amin’ilay toerana fanaovana fampisehoana malaza, Olympia. Misy toy ity fifaninanan-kira ity koa any Etazonia ka « Christian Awards » ny anarany.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503