Nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny Mak Club etsy Isoraka. Toeram-pialamboly ho an’ny tanora, trano fisakafoana sy fandihizana, fanaovana fampirantiana ary fandraisana « cabaret » izy ity, raha ny fanazavan’i Maka Prisca, mpitantana ny toerana. Fantatra fa hampirantiana mandritra izao fisokafana izao ny saripika mainty sy fotsy, sanganasan’i Mat-Li. Hiovaova ireo, arakaraka ny mpanakanto sy ny sanganasany. […]
↧