
Hetsika goavana momba ny dihy ara-panatanjahantena sy fanao anaty efitrano. Sambany hisy eto Madagasikara miaraka amin’ireo andrarezin’ny dihy avy any ivelany notsongaina tao amin’ny « Danse avec les stars ».
Tsy nofinofy intsony ! Tonga eto amintsika izy fito mianadahy ao anatin’ny D’Pendanse tarihin’i Maxime Dereymez. Notsongaina tamin’ireo mpandihy sangany tamin’ny fandaharana « Danse avec les stars » (Dals), fandaharan’ny televiziona TF1 any Frantsa sy mpandihy matihanina hafa. Hanatontosa fampisehoana roa eto an-toerana ny D’Pendanse. Eny amin’ny CCI Ivato, rahampitso 28 aogositra manomboka amin’ny 9 ora alina. Hanana endrika fanandraman-tsira amin’ny seho goavana hataon-dry zareo ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina. Hisy ny fiarahana maka sary amin’ny vahiny.
Ny alahady 30 aogositra manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, fampisehoana goavana ao anatin’ny adiny iray sy sasany eo ho eo. Dihy ara-panatanjahantena sy fanao anaty efitrano, toy ny jive, claquette, chachacha, samba, rumba, ampahana funk, sns, no hoentin’izy ireo amin’izany. Hanokatra ny sehatra ireo mpandihy avy amin’ny Am’s Boys, Rary, East United, Danse Encore, Na’Danse sy ny avy amin’ny tarika Ramilison mpanao hiragasy.
Mikarakara izao hetsika izao ny « Conseil Indépendant de danse – Madagascar » (Cid-Madagascar) sy ny « Association malgache des anciens olympiens » (Amao) ary ny « East Academy » Toamasina.
Hampandroso ny maha olona amin’ny alalan’ny dihy
« Anisan’ny tanjona tratrarinay ny hampandroso ny maha olona amin’ny alalan’ny dihy », hoy Rijamanitra Randrianarisoa (Cid-Madagascar). Iray amin’ireny ny ady amin’ny tsy fahaiza-mamaky teny amin’ny fampiasana ny dihy, sns. Tanjona telo lehibe kosa no tratrarin’ny Cid-M. ao anatin’ny telo taona. Hahatafiditra an’i Madagasikara ao anatin’ny World dance council (WDC). Hanampiana ara-teknika ny mpandihy malagasy. Hampahafantatra bebe kokoa ny dihy ara-panatanjahantena sy dihy fanao anaty efitrano. Hanampiana ny Cid-Madagascar amin’ireo tetikasany ireo ny vola ho azo amin’ity hetsika ity. Anisan’ireo mpandihy tonga eto an-toerana i Jade Geropp, tompondaka lefitra any Frantsa eo amin’ny « 10 danses sy latines », Guillaume Foucault, tompondakan’i Frantsa sokajy fanantenana tamin’ny taona 2010, sns.
HaRy Razafindrakoto