
Na eo aza ny firoborobon’ny teknolojia avo lenta, tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny boky. Manoloana izany, miofana mikasika indrindra izay fampandrosoana ny vaky boky izay ny ben’ny Tanàna miisa 22 miampy tompon’andraikitra ifotony. Raha ny alatsinainy teo izy ireo no efa tafavory eto Antananarivo, nanomboka omaly, eny Anosy Avaratra, kosa ny fiofanana. Marihina fa ben’ny Tanàna avy any amin’ny kaominina efa ahitana foibe famakiam-boky sy fanetsiketsehana ny kolontsaina (Clac) ireto miofana ireto. Any amin’ny faritra miisa 13 ireo kaominina ireo. Mikarakara izao fiofanana izao kosa ny foibem-pirenena misahana ny fampandrosoana ny vaky boky sy ny kolontsaina. Fiofanana izay hifarana androany.
Ampahafantarina ao anatin’ity fiofanana ity ny antom-pisian’ny trano famakiam-boky sy ny maha zava-dehibe ny vaky boky, tsy ho an’ny mpianatra ihany fa ho an’ny olon-drehetra mihitsy. Noho izany, manana andraikitra amin’ny fanatsarana ny trano famakiam-boky misy ao aminy ny ben’ny Tanàna. Anjaran’ny kaominina, ohatra, ny manangana trano hatokana hamakiam-boky. Fantatra, nandritra ny fanokafana tamim-pomba ofisialy ity fiofanana ity, fa vonona hanampy amin’ny fanavaozana ireo fitaovana any amin’ny Clac ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny frankofonia (OIF). Ao anatin’izany ny boky, ordinatera, fahitalavitra, sns. Tsiahivina fa efa fampanantenan’ny solontenan’ity fikambanana ity, tamin’ny fahatongavany teto amintsika ny volana aogositra teo, izany.
Landy R.