
Niezaka nanam-porofo ny tarika Ilon’Iarivo fa an’ny sokajin-taona rehetra ny bagasy fa diso ny filazana fa « hiran’antitra » izy io. Nisongadina io nandritra ny fampisehoana an-tsehatra nataon’ity tarika manana ny maha izy azy ity, omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Samy nandray anjara teny an-tsehatra avokoa na ny ankizy, tanora ary ny lehibe. Na teo amin’ny fihirana na tamin’ny fitendrena zavamaneno. Malaza ho sarotra ny bagasy, kanefa voafehin’ny tanora toa an-dr’i Volampeno tsara ny nitendry izany. Notazonin’ny Ilon’Iarivo hatrany koa ireo fepetra anisan’ny maha bagasy ny bagasy hoentina an-tsehatra. Fitafy maotina sy tena malagasy, tononkira mampita hafatra sy fitaizana, figadon’ny piano, sns.
Marihina fa ny antoko mpihira Oriela Maintimolaly avy ao amin’ny FJKM Ambohimamory izay mandia ny faha-20 taony no nikarakara ny seho. Hetsika hanampiana amin’ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny tetikasa hataony amin’ny taona 2016.
HaRy Razafindrakoto
Cet article Ilon’Iarivo : an’ny rehetra ny bagasy est apparu en premier sur NewsMada.