Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

« Zay ombanao ombako tour » : hiara-dalana i Régis Gizavo sy ny Olombelo Ricky

$
0
0
Régis1

Mihodina hatrany ny mozika. Taorian’ny fiarahana tao amin’ny Madagasikara All Stars, hitety faritra maro amin’ny alalan’ny « Zay ombanao ombako tour » i Régis Gizavo sy ny  Olombelo Ricky. Araka ny fanazavan’ny ao amin’ny Vazimba Mpanazary, mpikarakara ny hetsika, hanomboka ny volana desambra izao izany.

Teboka hiaingana ny ao amin’ny « 0 km », ao amin’ny Café de la Gare ny 4 desambra. Mihodina any Toliara ary hipaka hatrany Toamasina ny famaranana. Mpahaikanto amin’ny lafiny hira samy manana ny hanitra ho azy izy mirahalahy. Ankoatra ny fihirana sy famoronana, samy manana ny zavamaneno tendreny. Toraka izany ny karazan-gadona fehezina. Mifameno kosa anefa eo amin’ny fiangaliana.

Eny am-pitetezam-paritra, manararaotra maka ainga vao amin’ny faka sy hanitry ny kanto malagasy any ifotony ny roa tonta.

Zo.Ra.

Cet article « Zay ombanao ombako tour » : hiara-dalana i Régis Gizavo sy ny Olombelo Ricky est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503