Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Fampirantiana : hitondra aina vao ho an’ny tantara an-tsary ny « Ambatonamelankafatra »

$
0
0
TANTARA

Tia mamaky tantara an-tsary ny Malagasy… Nihena tsikelikely anefa izany noho ny antony isan-karazany. Ezaka ho fanarenana io tranga io no anisan’ny antom-pisian’ny « Ambatonamelankafatra » izay sady anarana fikambanana no lohahevitry ny fampirantiana etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely.

Ranty anisan’ny miavaka ho an’ny tantara an-tsary malagasy ny « Ambatonamelankafatra » etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Anisan’ny tanjona tratrarina ao anatin’izao ezaka izao rahateo ny hitondra aina vao indray ho an’ny tantara an-tsary malagasy. Ho an’ny mpanao tantara an-tsary, fihaonan’ny zoky sy ny zandry. Tazana eny an-toerana ny fikambanana Ambatonamelankafatra mamondrona ireo ela nihetezana amin’ny tantara an-tsary. Fikambanana Tantsary sy ny Haisary, ahitana ireo tanora manana talenta matanjaka amin’ity kolontsaina ity.

Hifanaraka amin’izay koa ny endriky ny fampirantiana. Maneho ny karazana sary « manga » (fomba fanonona [mangà]) saingy mampiseho ny angano malagasy Imaitsoanala sy Rapeto. Efitra faharoa, ahatazanana ny teknika fanaovana tantara an-tsary. Efitra fahatelo, ahitana ny dian’ny tantara an-tsary malagasy.

Tazana eny an-toerana koa ireo boky tantara an-tsary tamin’ny fotoana nampiroborobo ny tantara an-tsary teto Madagasikara (nanodidina ny taona 1980). Anisan’ireny ny « Eh ! », « Benandro », « Koditra », sns.

Raha ny fanadihadiana nataon’ny mpanao tantara an-tsary, « Ny Ombalahibemaso » no boky tantara an-tsary voalohany teto an-toerana. Nivoaka tamin’ny taona 1961 ka ny mompera Rahajarizafy no nanoratra azy, nanao ny sary Ramamonjisoa Jean. Marihina fa mitady ny momba io mpanao sary io na ny fianakaviany ny « Ambatonamelankafatra » fa tsy mbola mahita hatramin’izao.

HaRy Razafindrakoto

 

Cet article Fampirantiana : hitondra aina vao ho an’ny tantara an-tsary ny « Ambatonamelankafatra » est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503