
Mampiavaka ny sangan’asan’Iajamanana Paulin, fantatra amin’ny anarana mpanakanto hoe Imanovojery ny fivoizana ny tsangan-kevitra. Nivoaka ankehitriny ny boky nomeny ny lohateny hoe « Fivoim-piainana », nasainy natolotr’-dRakotoarimino Théodore. Nambarany fa mirakitra ny rohim-piainana (fitohizana) eo amin’ny ntaolo Malagasy taloha sy ny vaninandro ankehitriny ity boky ahitana 30 pejy ity ary lohahevitra 16. Natsidi’Imanovojery fa anisan’ny hita ao ny fampitahana ny isika mitady fandrosoana amin’izao fotoana izao nefa toa tsy mety mahazo satria tsy mijoro amin’ny fototra intsony. “Toy ilay vorombodin’akoholahy, tsara fa any aorian’ny namany”, hoy izy.
Nosafidin’Imanovojery ny manoratra boky tsangan-kevitra satria vitsy ny mbola miaro sy mimvoy izany. Manampy izany, zava-dehibe aminy ny teny Malagasy, maha firenena ny firenena. Aminy, “sompi-tahiry ny fahendren’ny firenena rehetra maneran-tany ny teny”.
Boky faharoa ity nosoratany ity, ary voalohany ny tsangan-kevitra mitondra ny lohateny hoe : “Fiainam-pivoaran’ny taranaka Malagasy”? natolotr’i Rado.
Njaka A.
Cet article Tsangan-kevitr’Imanovojery : nivoaka ny boky Fivoim-piainana est apparu en premier sur NewsMada.