
Feno ny lapan’ny Fanatanjahantena sy Kolontsaina etsy Mahamasina. Nahasarika mpijery marobe ny « Miara-mifety », seho sehatra niarahan’i Njakatiana sy ny Team Safelika ary ny mpankafy sarimihetsika malagasy.
Nifameno tanteraka ny teny an-tsehatra. Izay trangan-javatra nampitaina tamin’ny hira, narahina na notohizana tamin’ny alalan’ny fihetsika na dihy. Ny tsy voambara tamin’ireo, nofenoina tamina teny feno hatsikana, sns. « Comédie musicale », nahatarafana fa azo atao tsara ny manambatra zavakanto sy talenta maro ho tonga fampisehoana goavana be iray. Tsy nanalavitra ny sarimihetsika ihany koa ny « Miara-mifety » noho ny fahitana ny Team Safelika sy ireo mpilalao sarimihetsika nandihy, nihira, sns. Nisy ny nampiara-peo tamin’i Njakatiana fa tao koa ireo naneho ny talentany niaraka tamin’ny namany. Tazana nanafana ny sehatra koa i Jerry Marcos.
Tsikaritra nandritra ity seho nokarakarain’ny Scoop Digital ity fa nahitana fikarohana lehibe ilay fomba nentina nampifandrohy sy nampitohy ny tolotra rehetra niainga teny an-tsehatra ka voarain’ny mpijery avy hatrany. Hoentina hitety faritra ny « Miara-mifety » ka hahatratra 40 ny fampisehoana hotanterahina amin’izany.
HaRy Razafindrakoto
Cet article Njakatiana, Team Safelika… : « Miara-mifety », nifameno ny teny an-tsehatra est apparu en premier sur NewsMada.