
Ao anatin’ny vanim-potoana fankalazana ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Hisy ny seho lehibe « Noely antenaina » hotanterahina amin’ny faran’ity herinandro ity…
… Hianoka tanteraka ny sanganasan’i Bruno Rabarihoela ny mpankafy hira ara-pilazantsara. « Noely antenaina », fampisehoana an-tsehatra hotanterahina eny amin’ny Dôme RTA Ankorondrano ny 20 desambra izao amin’ny 2 ora sy sasany. Hira fiderana amin’ny teny malagasy sy anglisy ary frantsay hiarahana aminy (Bruno Rabarihoela), Hira sy Filazantsara, Hifi Junior (izay zanaky ny Hira sy Filazantsara ny mandrafitra azy) ary ny Groupe des Experts et Scientifiques Consultants (GESC). Hanaraka azy ireto amin’ny zavamaneno i Manjaka eo amin’ny gitara beso, Aina hikapoka ny amponga maroanaka.
Fantatra fa nitsangana ny marsa 1985 teto Antananarivo ny Hira sy Filazantsara. Nifandray tamin’ny « Fédération des Eglises Protestantes de Madagascar » (FFPM) izy ity ny taona 1990. Fampisehoana an-tsehatra, asa sosialy, fanampiana ho amin’ny fampandrosoana ny asa sahaniny hatramin’izay. Nanomboka ny taona 1986, efa namokatra rakikira ny Hira sy Filazantsara. Anisan’ireny ny « Bitsika sy Antsa ».
Raha tsiahivina, i Bruno Rabarihoela no namorona ny tarika « Bruno sy Malala ». Nianatra tao amin’ny Conservatoire National de Musique de Bordeaux tany Frantsa izy. « Lauréat » tamin’ny « Festival International de Spiritual Songs Angen » tany Frantsa tamin’ny taona 1972. Filoha mpanorina ny Hira sy Filazantsara. Filohan’ny « GESC ».
HaRy Razafindrakoto
Cet article « Noely antenaina » : hianohana ny sanganasan’i Bruno Rabarihoela est apparu en premier sur NewsMada.