Nafana ny seho sehatra faran’ny herinandro talohan’ny Noely, hatry ny omaly. Iray amin’ireo niavaka ny fiakarana an-tsehatra manokana nataon’ireo mpifaninana tamin’ny «Pazzapa NG» tao amin’ny lapan’ny Kolontsaina, omaly.
Maro ny hetsika an-kira amin’izao faramparan’ny taona izao. Samy manandra-peo ho an’ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona ny rehetra. Nampiavaka kely ny hetsika ny nataon’ireo andiany voalohany tamin’ny « Pazzapa NG » tao amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena, Mahamasina, omaly.
Tsy namerina ireo hira nahatafakatra azy ireo ny mpifaninana fa nifantenana hiram-bavaka sy hira masin’ny Noely tamin’ny teny malagasy sy teny vahiny, niarahana tamin’i Maurena, ilay nahazo voalohany sady ambasadaoron’ny vokatra Telma, niampy ireo mpifaninana taminy toa an-dry Zoé, Melanie, Myandry, Melo, Adrien, …
Hetsika vaovao, omaly, koa ny fampiaraham-peon’ireo Pazzapa NG andiany voalohany tamin’ireo mpanakanto « zokiny ». Anisan’izany ry Bodo, Princio, Gangstabab, ry THT, ry Agrad & Kaiz, Meiza, sy ny maro hafa.
Heverina ho anisan’ny tanjona ny hahatafita ireto solofo handimby ireto eo amin’ny tontolon’ny mozika, indrindra eo amin’ny famoronana hira misy ventiny ho velo-maharitra.
Zo. Ra.
Cet article Pazzapa NG : notolorana amboaran-kira Noely ny rehetra est apparu en premier sur NewsMada.