Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Hetsika nanokafana ny taona : nakarina an-tsehatra tany Antsirabe ny « Siran’Ankaratra »

$
0
0
HETSIKA

Faribolana Sandratra 25 taona. Iray amin’ireo boky navoaka nanamarihana io vanim-potoana io ny « Siran’Ankaratra ». Nisantarana ny hetsika taona 2016 ataon’ity faribolan’ny mpanoratra sy ny poety ity, ny nitondrana ny voarakitr’io boky io teny an-tsehatry ny Alliance Française Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo. Antsa tononkalo niarahana tamin’i Ra-Phi, L.Niry Andriamora, Ri.Ma, Toly, Zo-Maminirina ary Ranöe. Nakarina an-tsehatra niaraka tamin’ny « Siran’Ankaratra » ny « Voanenina » misy ny aingam-panahin’i L.Niry Andriamora, Ra-Phi, Ri.Ma ary Ikoloina.

Ho an’ny Faribolana Sandratra Antananarivo, ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM tohatohabaton’Antaninarenina) ny fotoana hihaonan’ny mpitia antsa tononkalo sy ny Sandratra ny asabotsy 23 janoary tolakandro izao. Raha ny amboara tononkalo « Misonga midina » no namaramparanana ny taona 2015, hiresaka ny fanantenana sy ny masoandro mibaliaka kosa, ny antsa tononkalo amin’io fotoana io.

Fantatra fa ny Faribolana Sandratra Antsirabe sy Antananarivo, miampy ny Alliance Française Antsirabe ary ny Soa Guest House no nifarimbona tamin’ny fanatanterahana ilay hetsika tany Antsirabe ny faran’ny herinandro teo.

HaRy Razafindrakoto

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503