![]()
Sivy andro an-danonana! Izay ny fanamby apetrak’ireo mpikarakara ny hetsika « Vez’Tival », hotontosaina any Toliara ny 9 hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao. Raha oharina amin’ireo « festivals » maro misy eto Madagasikara, mivelatra bebe kokoa amin’ny sehatra maro izy ity. Fampiarahana ny hetsika zavakanto sy kolontsaina amin’ny fanatanjahantena sy ny fihariana amin’ny alalan’ny fizahantany ny marimarina kokoa. […]