Elaela tsy nisy ny seho an-tsehatra goavana. Fantatra kosa izao fa nisafidy ny manodidina ny fankalazana ny fetin’ny mpifankatia ny tarika Mage 4, hanomezany fotoana ireo mpankafy. « Fitia mandrakizay », izay nalaina tamin’ny hiran’izy ireo ihany, no hampisalorana ny fampisehoana hotontosaina ny alin’ny zoma 12 febroary izao, manomboka amin’ny 9 ora etsy amin’ny Dôme Ankorondrano.
Mazava loatra fa halahatra ho fahafinaretan’ireo mpifankatia ireo hiram-pitiavana, izay hananan’ny Mage 4 maromaro. Hatao ihany koa anefa ireo hira miresaka lohahevitra hafa, na vaovao izany na efa taloha. Hivalampatra kokoa amin’ny fotoana izy ireo, amin’ny maha fotoana ifanakaikezana kokoa amin’ny mpankafy azy.
« Ho eo avokoa ireo mpikambana rehetra ao amin’ny tarika, satria ny hamerina ny lazan’ny Mage 4 mihitsy no tanjona », hoy ny mpikarakara avy ao amin’ny Mozika Malagasy. Fantatra fa fanokafana ny hetsika rehetra izay hotontosain’ny tarika manerana ny Nosy io, satria ao anatin’ny fankalazana ny faha-25 taonany ny Mage 4 amin’izao fotoana izao.
Zo ny Aina