Raikitra ny « Tournée Internationale R’Imbosa-Kolibera 2016 » ! Ankoatra ny fampisehoana, « ho fiarovana sy fanapariahana ny bagasy ny dianay any ivelany », hoy i Mbosa. Goavana indrindra amin’izany ny hampidirana ny bagasy ao anatin’ny harentsaim-pirenena tsy mivainga, raha ny fanazavany. Manaraka an’io ny fampahafantarana ny bagasy eo anivon’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny kolontsaina sy ny fanabeazana (Unesco) mba hisokajiana azy ity ho anisan’ny harentsaina iraisam-pirenena tsy mivainga.
Hifanatona bebe kokoa hatrany amin’ny any ivelany ny tarika R’Imbosa sy Kolibera. Tanterahina amin’ny alalan’ny fanaovana atrikasa sy velakevitra, sns, any an-toerana izany, raha ny fanazavan’i Mbosa hatrany. Raha ny fandaharam-potoan’ny « Tournée Internationale R’Imbosa – Kolibera 2016 », anisan’ny tanàn-dehibe hanaovan’izy ireo fampisehoana i Lyon, Paris, Toulouse, Marseille, Montpellier, sns.
Dingana lehibe eo amin’ny tantaran’ny bagasy ny tahaka izao. Hitondra aina vao eo amin’ny tontolon’ny hira malagasy amin’ny ankapobeny.
HaRy Razafindrakoto