
Avy amin’ny vehivavy, ho an’ny vehivavy. Hanatontosa hetsika iray miavaka ireo mpanakanto vehivavy maromaro, niara-nivondrona sy niketrika ny hetsika “Nirvan’Art”. Haka endrika fampisehoana marolafy, iarahan’ny karazan-kanto rehetra izany, izay hotontosaina ny Andron’ny vehivavy ny 8 marsa, eny amin’ny IKM Antsahavola.
“Tanjona amin’ny hetsika ny fanehoana ny kanto hataon’ny vehivavy, amin’ny fotoana natokana ho azy indrindra. Maro izahay no milomano ao anatin’ny kanto, ary amin’ny sehatra isan-karazany izany. Tonga ny fotoana mba hisongadinan’ny tsirairay anatin’ny fiarahana”, hoy ny fanazavan’Imiangaly, mpihira, anisan’ny mpanetsiketsika.
Toy ny ahoana ny mety ho fisehon’izany? Ny azo antoka aloha, tsy hanam-paharoa ny seho, satria efa tany amin’ny volana septambra 2015 tany no nikononkononana ny hetsika. Mahatratra 20 eo ho eo ireo vehivavy mpanakanto hiara-haneho ny talentany amin’io: Bamb (rap), Imiangaly (hira), Julie Ratefy (vata maroafitsoka), Tasha (gitara beso), Mahalia (gitara), Julie Iarisoa (dihy), Clipse Teen (hosodoko), Sleeping Pop (sariitatra), Yasmine Fidimalala (sokitra), ny She (fivondronan’ireo vehivavy mpaka sary), sns.
Miandry ny mpijery izay liana te higoka ny hatsarana sy ny herin’ny kanto avy amin’ny vehivavy ireto mpanakanto ireto. Hetsika te hanome lanja ny vehivavy, andaniny, fa hanome fijery vaovao ny zavakanto koa, ankilany, mantsy ny “Nirvan’Art”. Ity no tetikasa faharoa hotontosain’ny Voots Kongegation, taorian’ilay horonantsary “Kiti-tsaina”. Hisy ny DVD handraketana ny hetsika, aorian’izay.
Zo ny Aina Randriatsiresy