
Hahazo tombony ny ankizy. Tonga eto Madagasikara i Geneviève Marot hanolotra fampirantiana sy seho hafakely iarahany amin’ny Jean Piso… Ao koa ny fanaovan-tsary mivantana.
Seho hiavaka ! Izay no azo ilazana ny voan-dalana hoentin’i Geneviève Marot, « graphiste » sy « illustratrice » na koa mpanao sary amin’ny endriny samihafa (hosodoko, tantara an-tsary, sns), ho an’ny mpankafy, indrindra ny ankizy sy ny tanora, etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely, mandritra io volana marsa io.
Tato anatin’ny enina taona izay, nivezivezy, namita asa teto amintsika ity mpanakanto, teratany frantsay, ity. Ny taona 2010, nataony an-tsary ny fanadihadiana mikasika ny tarika Ny Malagasy Orkestra. Nanomboka teo, nihanatevina ny fahalalany an’i Madagasikara, ny kolontsainy, indrindra, tamin’ny alalan’ny fifaneraserany tamin’ny mpanakanto hafa. Anisan’izany i Jean Piso, mpitendry angorodao, avy any Toliara. Vokatr’izay rehetra izay, nivoaka tamin’ny taon-dasa, tany amin’ny trano fanontana « La Boite à bulles », ny boky mitondra ny lohateny hoe « Sous le tamarinier de Betioky ».
Fampiranty hafakely, seho tsy fahita
Amin’izao fotoana izao, tafaverina eto amin’ny Nosy i Geneviève Marot. Hizara roa ny zavakanto hampianohany ny mpankafy. Eo aloha ny fampirantiana, hisokatra ho an’ny rehetra etsy amin’ny IFM, ny 1 hatramin’ny 31 marsa izao. Ho hita ao ireo dingana samihafa arahiny amin’ny tontolon’ny « illustration » na ny fanaovan-tsary.
Mazava ho azy, haranty ny santionany amin’ireo sanganasany : hosodoko vita amin’ny lokorano, « toiles », sns. Ao koa ny lasitry ny tantara an-tsary na « BD ». Harahina fampianarana momba ny fanadihadiana an-tsary sy fifaninanana ity fampirantiana ity.
Ny 5 marsa kosa, hanolotra fampisehoana hafakely, tsy mbola fahita eto amintsika, i Geneviève Marot sy Jean Piso. Hanao sary iry voalohany ka hasongadiny ao ireo lalam-piainan’ilay tovolahikely, mitana ny anjara toeran’ny mpilalao fototra ao anatin’ny tantara « Sous le tamarinier de Betioky ». Handrotsirotsy izany fanaovan-tsary mivantana izany ny feon’angorodaon’i Jean Piso. Antenaina fa tsy ho diso fanantenana ireo rehetra hanatrika ireo hetsika roa ireo.
Landy R.