Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Kolontsaina : haren’ny Malagasy tsirairay ny « Taom-baovao malagasy »

$
0
0
TAOMBAOVAO

Homarihin’ny foibe Fitohasina sy Trano kolotoraly ary ny Havia sy Havanana ao anatin’ny hetsika mandritra ny dimy andro ny « Taom-baovao malagasy ». Nampahafantarina, omaly, ny mampiavaka izany amin’ity taona 2016 ity.

Somary nihataka tamin’ny nahazatra ny nitondran’ny foibe Fitohasina sy Trano kolotoraly malagasy ary Havia sy Havanana ny fanazavana momba ny taom-baovao malagasy, omaly. Niompana tamin’ny fampahafantarana ireo singa roa lehibe anisan’ny fototra mampanjary ny hasin’ny Malagasy ka zary haren’ny tsirairay. Ny fidiovana, vanim-potoana handinihan-tena sy hifamelan-keloka. Ny tsodrano, omen’ireo raiamandreny ho an’ny zanaka mba hampanjary ny zavatra hatao. « Ireo rehetra ireo, midika fa an’ny Malagasy rehetra ny taom-baovao malagasy fa tsy an’ny foko na taranaka iray », hoy Ramamonjisoa Mbola Tina filohan’ny foibe Fitohasina. Fantatra fa nampahafantatra ny Taom-baovao malagasy tany Inde  Rakotomalala Louis de Gonzague.

Hisy ny fandaharam-potoana tanterahina ny 7 ka hatramin’ny 11 marsa izao etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely sy eny Ikianja Ambohimangakely foibe Fitohasina.

Alatsinainy sy ny talata 8 marsa (Tahala Rarihasina), velatseho sy loabary an-dasy (« Ny fanabeazana ny tanora sy ny fomba malagasy », « Ny hasin’ny fomba teo amin’ny Betsileo ») Alarobia 9 marsa, mitohy ny velatseho, hozaraina ny afo tsy maty, fiaingana ho eny Ikianja izay ahitana ny lanonana mandra-maraina. Alakamisy 10 marsa : tsodrano, vary amin-dronono tondrahan-tantely, velatseho, loabary an-dasy (Harena ho anao sy ny rehetra ary ho an’ny firenena ny taom-baovao malagasy). Zoma 11 marsa : velatseho, fanandratana mpikambana vaovao (Fitohasina) eny Ikianja. 12 marsa : fiaraha-mikorana (Havia sy Havanana) eny Ambohimanambola.

HaRy Razafindrakoto

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503